2- MIANATRA VAO MAHAY - MANKATOA VAO AFAKA HIBAIKO
Rédigé le Lun 13 Oct, 2008 12:18:02 
2- Mianatra vao mahay, mankatoa vao afaka HIBAIKO!
Vakio: 1
Sam. 16 : 14-23.
Fampahatsiahivana : 1 Sam. 16 : 7 - "
Tsy mijery ivelany Jehovah, fa manana ny fomba fijeriny Izy »
• Teo anatrehan’ny
antitra, zatovo no nofidiany
• teo anatrehan’ny lahimatoa, faralahy no nofidiany
• teo anatrehan’ny mamiratra , Olona mihoso-bovoka no nofidiany !
• teo anatrehan’ny olo-malaza, zaza saika hadino no nofidiany !
Amin’ny maha olombelona , tsy hisy mihintsy zany mpiandry ondry ho lasa mpanjaka izany ! na ny mpiandry ondry sy ny mpanjaka aza tsy mifanerasera akory ! Raha tsy hoe « MIDITRA ANTSEHATRA JEHOVAH » Na aiza toerana misy antsika na aiza, hain’Andriamanitra foana ny mijery antsika sy mametraka antsika amin’ny toerana tiany hasiana antsika !
I – HAFAHAFA NY
ARETIN I SAOLY. 1 Sam. 16 : 14—17.
"fa ny fanahin’i Jehovah efa
niala tamin’i Saoly , ary nisy fanahy ratsy avy tamin’i Jehovah
namapatahotra azy »
1 –Inona no olana eto :
a / - Ny and 13 milaza hoe , " fa ny fanahin’i Jehovah nilatsaka
tamin’i Davida »
Ny and 14 milaza hoe , "ny fanahin’i Jehovah niala tamin’i Saoly »
raha alahatra amin’ny tabilao izy mirahalahy dia hita fa miakatra
hatrany ny lanjan’i Davida, midina kosa i saoly
b / - Misy zavatra anakiroa hafahafa mitranga eto. Voalohany :
Niala tamin’i Saoly ny Fanahin’i Jehovah.Fa nahoana ? ary amin’ny fomba
ahoana ?
• Fa nahoana ? Satria ninia
nandika ny didin’Andriamanitra i Saoly ! fitsaran’Andriamanitra
izany !
• Amin’ny fomba ahoana ? Ny fanahin’ny Jehovah dia omeny izay olona tiany
hanao asa anakiray na manokana, azony atao anefa ny manala izany !
« tadidio ny ao amin’ny Apok “ sao dia hafindrany ny fanaovanjiro” !
d / - Faharoa hafahafa ity : "Nisy fanahy ratsy avy
tamin’i Jehovah nampatahotra azy »
Inona izany hoe fanahy ratsy ? Ara-bakiteny ! Devoly ! ahoana moa izany
hoe « Andriamanitra mandefa fanahy ratsy» ?
• Manana fahefana amin’izany Jehovah satria
Andriamanitra Izy ! Eo ambany fahefany avokoa na ny devoly aza ! Raha
avelan’Andriamanitra hiditra amin’ny olona iray ny devoly , tsy misy olona
afaka manakana izany !”sady rehefa miala amin’ny olona ny
fanahin’Andriamanitra” tsy hisy fanahy hisalasala hiditra ao! Ary ny fanahy
niditra tao amin’I Saoly teto dia tsy nosakanan’Andriamanitra!
•Raha misy olona manota, miala aminy avy hatrany
ny fahasoavana, ary lasibatry ny devoly izy, tsy Andriamanitra no mandefa ny
fanahy ratsy eto, fa navelany hitranga izany !
e / - Nanomboka narary saina i Saoly teo.
Nanampy trotraka ilay fanahy ratsy ny toe-pony, lasa ratsy saina izy,
kaodikaody ! feno fialonana ! taitaitra ("parano" hoy ny
teny frantsay) heveriny fa mikonokonona teti-dratsy aminy avokoa ny
olona ! (Normale izany, tsy nofanina ho mpitarika izy tsinona !)
2 – Mozika no vahaolana:
a / - Teo anatrehan'ny olana mitranga dia nanome
sosokevitra tamin'ny mpanjaka ny mpanolotsaina, ny mba hitondrana mpitendry
lokanga mba hampitony azy (tena voaporofo ara-tsiansa fa misy fihatraikany eo
amin'ny saina sy ny fo ary fahasalamana ny mozika) Mpitendry mahay no ilaiko
hoy i Saoly
d / - Aiza no ahita olona sady mahay mitendry
tsara , no sady manaiky ho eo anilan'i Saoly (izy efa nivadika ho masiaka be?),
Mpanompo anakiray no nilaza fa mahafantatra zanak'i Jese, any betlehema,
mahay mitendry, mahery fo, mahay miteny, olna tsara, sady omban'Andriamanitra .
• Fifanindrian-javatra ve? sa sambasamba sa Andriamanitra mihintsy no miasa
? Tanora anakiray izay na ny rainy aza tsy dia niraharaha azy akory no indro fa
fantatry ny mpitondra ambony ny fahaizany sy ny momba azy manontolo ...
f / - Nisy
nahita an'i Davida na dia tany anaty ala aza izy! , teo aloha dia
hitantsika fa "Jehovah no nahita azy" eto indray anefa dia hitan'ny
olona ihany koa hay izy! Izy ve dia hanampo an'izany? hoe izaho izay mandany
andro mihirahira, miandry ondry sns aty antsaha aty anie ka mba hitan'ny
"fiaraha-monina" indrindra fa ny mpitondra ambony ?
g / - Misy fotoana isika dia mahatsapa
fa miasa maina, tsy mahazo sitraka , tsy misy mahita, misy aza fotoana izay
ahatsapantsika hoe "tokony isika no voatendry na voafidy" kanefa dia
olona hafa no mahazo izany toerana izany , Tsy marina izany ! tsy maintsy misy
vokany foana ny ASA TSARA izay ataontsika na ho ela na ho haingana ! (manamarina izany ny soratra Masina)
• Ps. 75 : 6 - "Car ce n'est ni de l'orient,
ni de l'occident, Ni du désert, que vient l'élévation. Mais Dieu est celui qui
juge: Il abaisse l'un, et il élève l'autre."
• Pro. 22 : 29 - " Si tu vois un
homme habile dans son ouvrage, Il se tient auprès des rois; Il ne se tient pas
auprès des gens obscurs."
3 – Tsy fikasan'i Davida akory ny ho lasa mpanjaka fa fikasan'Andriamanitra :
a / - Tsy davida akory no naniry hitendry lokanga hoan'i
Saoly, i Saoly no nampitady
azy...hoan’ny Davida kosa dia ny lohasaha sy tendrombohitra sy ny ondry any
antsaha no asany !
c / - Tsy takatry ny saina ny fomba fiasan'Andriamanitra ! nampiasain'ny
Jehovah ny aretina mahazo an'i saoly sy ny fahaizan'i davida mitendry lokanga
mba ahatanteraka ny sitrapony (planiny)
II - Mpanompo aloha
....
4 –
a / - Tsy “mpanjaka” no
.
Tsy mba ratsy saina davida eto .Miandry izay sitrapon’Andriamanitra fotsiny
izy ! Tsy niteny izy hoe « mialà ianao fa nahazo teny tamin’i Jehovah
Aho hoe izaho indray no Izy »
b / - Tsy nikonokonona izy ! tsy nanakiana !… lesona lehibe hoan’izay
miasa amin’ny orin’asa izany ! any anaty orin’asa na eo anivon’ny
fiangonana sy fikambanana mantsy dia mety ho olona « vendrana » noho
ianao no mpitarika anao , mety manana hevitra tsara noho izy ianao ,
Vitanao ve ny manatanteraka sy manaja ny baikon’ny olona tahaka izany ? Tsy
mora izany ! kanefa izay no ahafantarana fa manana « toe-tsaina sy
toe-po » hanompo tokoa ianao .
IZAY MANIRY NY HITONDRA DIA TSY MAINTSY MANAIKY TARIHINA ALOHA
IZAY TSY MANKATOA DIA TSY MENDRIKA NY HO TOAVINA RAHATRIZAY
(mahatsiaro ny fomba skoto izay
mampanao sedra ny zoky na tinaiza ao aminy aho isaky ny misy fiakarana dingana!
Raha mandritra ireny sedra ireny no mitokona na mamaly na manohitra ilay skoto
dia tsy mendrika ny hitondra izy izany ary tsy mendrika ilay fiakarana dingana
!)
c / - Tsy nanakiana na nanaratsy ani
Saoly I Davida , mazava mantsy fa mendrika noho i Saoly izy, sady efa
nohosoran’Andriamanitra rahateo saingy TSY NANARATSY AN I SAOLY IZY na namoaka
ny tsiambaratelony ! Ny tanjon’i Davida aza dia ny hanao izay ahatsara sy
ahasalama ny mpanjaka (raha ny manodidina angamba dia niteny an’i davida hoe
« aratsio amin’izay ! lazao amin’ny vahoaka ny toetra ratsiny ! tsy
izany ve no ataon’ny mpanao politika eto amintsika ? raha izay no fombatsika dia tsy ho lasa
mpitondra mihintsy isika !)
e / - Inona ary no tena tetik’Andriamanitra
raha nampiditra an’i Davida tao an-dapa izy ?.
Nalefan’Andriamanitra tao izy mba
hianatra ! teo ampijerena an’i Saoly dia fantany ny asa maha mpanjaka, ny
tokony hatao sy ny tsy tokony, hitany koa ireo fahadisoana nahavoa an’i
Saoly ! Tsy hamerina izany izy rahatrizay ! … Fa
eto aloha dia tsy maintsy manompo ilay hodimbiasany izy, Izany no
sitrapon’Andriamanitra : Mampianatra Jehovah fa raha te hitarika sy
hitondra olona dia tsy maintsy manaiky sy mankatoa izay mpitondra misy eo
aloha. Ny olona mpanakiana lava izany dia mety tsy ho lasa mpitarika , ary
raha lasa mpitarika dia tsy aharitra amin’ny toerany !
5 – Ny herin’ny mozika :
a / - Ny mozika dia nanampy an’i Saoly :
1. "mba niaina tsaratsara koakoa izy ka tsy sempotra ."
2. "tony kokoa izy."
3. "misinda mihataka azy ny fanahy ratsy."
b / - Ny
mozika tsara dia manampy ny olona ara-batana, ara-tsaina, ary
ara-panahy !, tahaka izany koa anefa dia misy ny mozika ratsy izay misy
fiatraikany amin’ireo sehatra telo ireo koa ny fihainoana azy. Raha tsapanao fa
miteraka zavatra hafahafa aminao ny mozika anakiray dia ajanony!
c / - Mozika manala fanahy ratsy ? inona izany ? Ny mozika notendren’i Davida dia voasoratra
ao amin’ny baiboly : Ny salamo (ny atsasany mahery dia noforonon’i Davida)
! fiderana an’Andriamanitra sy ny heriny no notendren’i Davida ary Tsy zakan’ny
fanahy ratsy izany !
• Afaka mampanakaiky antsika amin’Andriamanitra ny mozika, ary afaka mitondra
antsika any amin’ny helo ihany koa izy ! Tandremo ihany izay mozika henointsikaa
re olona !.
1- Davida mpanjaka ! (Mitomany ny mpaminany)
Rédigé le Mar 23 Sep, 2008 12:53:01 
1-AHOANA NO
HANEFEN I JEHOVAH SY HANOMANANY OLONA
HIASA HOAZY?
Vakiteny : 1 Sam. 16 : 1-13.
Fampidirana :
Maro isika tanora no mba manonofy sy maniry ny ho lasa mpitondra , na
hanankarena na ny ho lasa filoha
mpitarika indray andro any, Ity tantara hianarantsika ity dia mitantara
ny tantaran’olona iray izay mpiandry ondry no lasa mpanjaka. tiana haseho
mandritra ity lesona ity ny fomba fiasan’Andriamanitra izay tsy takatry ny
saina, fa hay Andriamanitra dia miasa mangina hatrany eo amin’ny fiainantsika
fa isika no tsy mahalala.
Davida no horesahina ary ny fiainany dia voafintina ao amin’ny Sal
78 : 70-72 (vakio)
Mariho fa ny anaran’i Davida no miverina imbetsaka indrindra ao amin’ny
baiboly ! (Abrahana in 300- Mosesy in- 830- I Davida kosa in 1 032).
Olombelona tahaka antsika ihany izy, nofo sy rà
Matetika eo anivon’ny fiangonana ankehitriny dia
misy zavatra “azo lazaina sy tsy azo lazaina”, ao anatin’ny Baiboly kosa anefa
dia hita fa tsy mba mpanandratra olona na manasohasoa olona fahatany ny
Baiboly, na iza na iza olona mahery fo dia tantarainy antsipirihany avokoa ny
fiainany, na tsara na ratsy ny zavatra miseho sy nataony. Ny aton’izany moa dia
mba ho lesona ho antsika sy hanekentsika fa: ao anatin’ny fahalemen’ny
olombelona dia « miasa » Andriamanitra, ary olombelona “tsotra”
tahaka antsika rehetra ihany no fidiany
(miaraka amin’ny halemeny sy ny toetra tsarany).
Ny tanjontsika mandritra ity lesona ity dia ny ahalala hoe « ahoana
no nahatonga mpiandry ondry anakiray ho lasa mpanjakan’Israely »
• Ahoana no fomba
nitondran’Atra azy avy any ambony bozaka ho
• Tao anatin’ny fandresena
sy faharesena , ny andro mamiratra sy manjombona , ny fifaliana sy fahoriana,
Tamin’ireny Andriamanitra no nanefy an’i Davida hanana « fo »
mendrika sy manetry tena.
• Tamin’ny alalan’ny « fiainana akalamanjana sy traik’efa » no nianaran’i Davida nitondra fanjakana. .
Tsara indrindra raha sady mandinika ny fiainantsika isika no mianatra ny
fiainan’i Davida ihany koa.
******
Lesona Voalohany
: ANDRIAMANITRA MAHALALA
1 –Mitomany ny mpaminany nefa vita sahady
ny safidin’Andriamanitra :
Mitomany sy malahelo an’i Saoly i Samoela, efa nolavin’Atra mantsy izy, Ny
vahoaka no nangataka mpanjaka ka nahatonga an’Atra nametraka izany, te hitovy
amin’ny firenena manodidina azy mantsy ny fiangonana tamin’io (izany no
lamaody). Lehilahy ranjanana, tsara bika sy endrika i Saoly raha vao jerena
dia hita fa « mendrika ny ho mpitarika izy »
Nolavin’Atra anefa izao ankehitriny (satria tsy
nankatoa ny didiny) , mitomany I Samoela, mitomany an’I Saoly izy, mitomany ny
tenany ihany koa, mitomany ny fireneny ! Aiza intsony no hisy olona tahaka an’I
Saoly?
Iza
no olona afaka mandimby an’i Saoly ? toa tsy misy olona afaka mandimby azy !
aiza no hisy olona ranjanana, matanjaka, tsara tarehy , mazoto tahaka
azy ?
Tao anatin’izany indrindra no nanome
baiko an’i Samoela Atra : « Fenoy
diloilo ny tandroka , alefako any amin’i Jese any Betlehema ianao, efa hitako
ny zanany tiako hosorana ho mpanjaka
Eo anatrehan’ny olana anakiray dia matetika
isika no vaky loha, mieritreritra izay ho vahaolana, toa tsy misy hirika
mihintsy ny zava-mitranga indraindray, kanefa aza hadino fa « ianao no
vaky loha, fa Antra efa mahalala ny vahaolana » Mety tsy mahomby ny
olombelona, (aza matoky olona) fa Atra kosa dia mahomby sy manana vahaolana
mandrakariva.
Aza hadino fa matoa misy olana dia misy
vahaolana, ary raha tsy misy vahaolana dia tsy misy olana izany , fa
lalam-piainana iny !»
a- Mahaiza
miandry ny sitrapon’Andriamanitra :
Rehefa
Misy fotoana isika tanora no te ahalala hoe « inona na iza no
sitrapon’Andriamanitra » kanefa na dia manotany an’i Jehovah aza isika dia
mety mahazo valiny hoe « madehana aloha, teneniko anao ihany rehefa
b-Tsy
misy mahalala hoe « Miasa anie Jehovah »
Mandritra ny fotoana anaovan’I Saoly ny tsy mety
? efa mikarakara an’I Davida Jehovah! Manomana azy ho mpanjakan’Israely
Izy, tsy misy mahala izany ! na i Samoela aza tsy mahalala , I Saoly moa
dia tsy mahalala rahateo, Jese koa tsy mahalala, Na i Davida tenany aza…
c / - Misy fanahiana ve aminao , momba ny ho avinao ? manana olana ve
ianao amin’izao fotoana izao ? very hevitra ve ianao ? Aza
matahotra ! ianao tsy mahalala ny vahaolana ? JEHOVAH MAHALALA…Tsy
fantatsika ny zavatra miandry antsika rahapitso, fa fantatsika hoe « Iza »
no miandry antsika rahapitso.
2 – "Ity mihintsy zao no izy” hoy
samoela (
a / - Nolazain’i Jehovah anefa i Samoela fa tsy
mitovy fijery amin’ny Olombelona Izy ! Ny olona mijery izay mahafinaritra
ny masony, Jehovah mijery ny fo ! , nandalo teo daholo i Abinadaba, i
Schamma, izy fitolahy zanan’i Jese.
b / Tsy nambaran’ny Baiboly raha mahalala ny
antodian’i Samoela i Jese, Olona malaza anefa i Samoela , ary voninahitra
lehibe izany mampandroso « mpaminany » ao antrano izany, ka dia
nanaraka izay baikon’i Samoela izy.
c / - Tapitra nandalo izy fitolahy, izay nipoitra dia noheverin’i Samoela fa
« izy » daholo kinanjo tsy izy ! vaka ny lohan’i Samoela,
Nihevitra ny tenany no mahalala ny sitrapon’Andriamanitra izy kanjo « diso
hevitra » Mijery ivelany hatramin’ny mpaminany ! tahaka ny
fahadisoan’ny vahoaka nifidy an’i Saoly ihany no fahadisoana naverin’i Samoela
teto.
f / - Firifiry moa isika no efa voafitaky ny
masontsika, misy olona heverina fa tsara kinanjo mamitaka, dia mitia olona
mitovy amin’iny ihany kinanjo voafitaka fanindroany, dia tsy mety
• Mora matilolo ny
olombelona ! matin’ny lazan’ny hafa izy, ny fahombiazan’ny olona, ny endrika
ivelany, ny volany, ny fahefana, ny anarana ihany koa aza, (misy ohatra ny
olona tsy i Bema no tiany fa i Antonny, tsy i Soa fa i Nancy.. J ) ny andraikitra, ny akanjo sy
fitafy, ny fiara, ny fari-pahaizana sns.
• Tsy mijery an’ireny anefa Atra ! Ianaro izany
fomba fijerin’Andriamanitra izany !
g / - Mety hanotany isika hoe « inona aza
no tsininy tamin’ireto fitolahy ireto ? ny valiny “Tsy misy” tsy misy
zavatra ratsy nolazain’ny Baiboly mikasika izany! Fa tsy nifidy azireo tsotra
izao Andriamanitra ho “Mpanjakan’Israely” Olona hafa no efa
homanin’ Andriamanitra amin’io toerana io !
III – DAVIDA SY
SAMOELA
3 – "tapitra eto avokoa va ny zanakao
rehetra ? »
c / - Mbola misy anakiray any ! fa saingy miandry ondry izy!
Mba nahay lesona I Samoela teto, raha ny maha
olona mantsy dia hievitra izy hoe “mpiandry ondry ve dia ho lasa mpanjaka ?
mety olona hafa no izy! Saingy nahay lesona I Samoela ,I Davida aza tsy
mahalala fa « misy lalana » tsy takatry ny saina efa
nomanin’Andriamanitra ho azy , nampanantsoina izy! Asa inona re no ho tao
aneritrerin I Davida? Bedy ve sa misy inona ?...! ( ary raha nanda tsy hody moa
I Davida?)
d / - Io no izy !
• Tovolahy kely (16 taona eo ho eo hoy ny mpandinika).
• mpiandry ondry, poety, mpihirahira ! « bandy mpandrevy » hoy isika
tanora !
• Tsy « pôzipôzina » mpanjaka
• nefa tsy misy dikany izany fijery
ivelany izany ! IZY NO IZY HOY JEHOVAH !
4 – " Hosotry ny fanahy Masina "
a / -Nohosoran’i Samoela izy! Tsy hoe lasa
mpanjaka teo noho eo i davida fa natokan’i Samoela hoan’Andriamanitra
izy ! ho ampiasainy izy rehefa
b / - Nahazo ny hosotry ny fanahy Masina i
Davida nanomboka teo, midika izany fa « manana ny hery sy fahefana avy
amin’ny Fanahy Masina izy » Mety tsy tonga saina akory aza izy hoe « inona
izao miseho izao » fa dia nanatrika sy nanaiky nohosorana diloilo teo i
zandrikely . Ho avy mantsy ny andro hifanandrinany amin’i Goliata !
Ry zandry malala
Mananatra sy mampahery antsika ny lesona
eto ! misy mantsy mahatsiaro ho zandriny amin’ny zavatra rehetra (na taona
na fahaizana sns), ataon’ny olona tsinontsinona , tsy misy mpijery, hadinon’ny
olona sy ny fiaraha-monina saingy aza matahotra fa « hitan’Andriamanitra
ianao » ary hataony Mpandresy sy Mahery fo tahaka an’i Davida ihany koa.
Impiry moa no nisy zavatra nahazendana sy
nahakivy nitranga teto anivon’ny fiangonana ? mampanotany tena hatrany
ireny hoe « inona ary no ataoni Jehovah amin’izao fotoana
izao » ? aty aoriana anefa dia miara-miaky ny rehetra fa hay « niasa
hatrany Izy » Tsy voatery mampiseho antsika ny
zavatra rehetra Jehovah , mandidy antsika « hino » sy hankatoa
fotsiny izy ! ary hankasitraka Azy amin’ny zavatra rehetra !.
Mety maizina aminao ny hoavinao,nefa matoa ianao tsy
mahalala ny hoavinao , dia tsy ilaina akory izany ny ahalala ! Ianao no
tsy mahalala, fa Andriamanitra mahalala tsara miasa hatrany ahatanteraka
izany !
Tapitra ny lesona 1
Manasa anao hianatra ny
Lesona faharoa